Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Toe-Tsain’ny Fanoloran-Tena

    Napetraka tamin’ny alalan’ny fanatitra tena lehibe sy lalina ny drafi-pamonjena, hany ka tsy azo refesina mihitsy izany. Tsy hoe naniraka ny anjeliny ho etỳ amin’ity tontolo lavo ity i Kristy, ka Izy nijanona tany an-danitra; tsia, fa Izy mihitsy no nankeny ivelan’ny toby, nitondra ny latsa. Lasa lehilahy ory sady zatra ny fahoriana Izy; naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika Izy. Raisin’Andriamanitra ho toy ny fandavana ny anarana hoe Kristianina ny fahabangan’ny fandavan-tena eo amin’ireo izay mihevitra ny tenany ho mpanara-dia Azy. Ireo izay milaza ny tenany ho iray amin’i Kristy, kanefa manome fahafaham-po ny faniriany feno fitiavan-tena ny mba hanana fitafy sy fitaovana ary sakafo sarobidy sy lafo vidy, dia Kristianina anarany fotsiny ihany. Ny hoe Kristianina dia midika hoe mitovy amin’i Kristy.TF 57.1

    Ary tena marina anefa ny tenin’ny apôstôly: “Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy. ” — Fil. 2:21. Maro no tsy manana asa mifanaraka amin’ny anarana entiny. Miasa tahaka ny hoe tsy mbola nandre mihitsy ny amin’izany drafi-panavotana izay notanterahina tamin’ny sarany tsy hita polopolorina izany izy ireo. Ny ankamaroany dia mikendry fotsiny ny ho malaza eto amin’izao tontolo izao; mandray ny fanaony sy ny fomba fombany izy ireo, ary miaina mba hanome fahafaham-po ny nofo. Dodona aoka izany tahaka izao tontolo izao ihany izy ireo eo am-panatontosana ny tanjony manokana, ary dia tapahiny amin’ny alalan’izany ny fahefany hanampy eo amin’ny fampiorenana ny fanjakan’Andriamanitra (...).TF 57.2

    Ny asan’Andriamanitra, izay tokony hotanterahina amin- kery sy fahombiazana avo folo heny noho izay anaovana azy ankehitriny, dia voatazona tahaka ny lohataona voatazon’ny rivotra mangatsiaka mifofofofo amin’ny ririnina, satria maka ho an’ny tenany ny vola tokony hatokana ho amin’ny asan’Andriamanitra ny sasany amin’ireo milaza azy ho olony. Tsy ampidirina eo amin’ny fahazarana amin’ny fiainana ny fitiavan’i Kristy feno fanoloran-tena, ka manjary malemy ny fiangonana, na dia tokony hatanjaka aza. Namono ny fahazavany tamin’ny alalan’ny fanaony ihany izy, ka olona an-tapitrisany maro no tsy nahazo ny filazantsaran’i Kristy (•••)•TF 57.3

    Ahoana no mbola ahafahan’ireo izay nanaovan’i Kristy sorona be dia be hanohy hisitraka ny fanomezany amim- pitiavan-tena ihany? Tsy misy manana fitiavany sy fandavan- tenany mitovy amin’ny Azy; ary rehefa tafiditra eo amin’ny fanandraman’ny mpanara-dia Azy io fitiavana io, dia hampifandraisiny amin’ny tombontsoan’ny Mpanavotra azy ny tombontsoany. Ny hanorina ny fanjakan’i Kristy no ho asan’izy ireo. Hanokana ny tenany sy ny fananany ho Azy izy ireo, ka hampiasa ireo fitaovana anankiroa ireo araka izay takin’ny asany.TF 58.1

    Tsy zavatra latsak’izany no andrasan’i Jesôsy amin’ny mpanara-dia Azy. Tsy misy olona izay manana tanjona lehibe tahaka izany eo anoloany, dia ny famonjem-panahy izany, no ho sahiran-tsaina amin’ny famolavolana drafitra sy fomba handavany ny tenany. Ho asa hataon’ny isam-batan’olona io. Izay rehetra azontsika homena dia hirotsaka ao amin’ny trano firaketan’i Jehôvah, hampiasaina ho amin’ny fitoriana ny fahamarinana, mba hanakoako any amin’ny faritra rehetra eran’izao tontolo izao ny hafatra momba ny fiavian’i Kristy tsy ho ela intsony sy ny fitakian’ny lalàny. Tsy maintsy misy misiônera hirahina mba hanao io asa io.TF 58.2

    Haseho amin’ny teny sy amin’ny asa ny fitiavana an’i Jesôsy. Tsy maintsy homen-danja ambony ny fanjakan’i Kristy. Hapetraka ho fanati-tsitrapo eo amin’ny alitaran’Andriamanitra ny izaho. Ny olona rehetra izay tena miray amin’i Kristy dia hahatsapa ny fitiavana ny fanahy izay nahatonga ny Zanak’Andriamanitra handao ny seza fiandrianany, ny fahefahany ambony, ka tonga malahelo noho ny amintsika, mba hampanan-karena antsika ny alahelony. - RH, 13 Okt. 1896.TF 59.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents