Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 10 - Antso Ho Amin’ny Fahamatorana Lalina Kokoa

    Nandika ny lalàn’Andriamanitra izao tontolo izao sy ny fiangonana, ka tsy maintsy atao ny fampitandremana hoe: “Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoakin'ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra.” Apôk. 14:9-11. Tsy tokony haneho fahamatorana lalina kokoa sy zotom-po lehibe kokoa ve isika amin’ny ozona mihantona eo amin’ny mpandika ny Sabata masin’Andriamanitra tahaka izany? Nahoana isika no dia tena tsy rototra, tena da tena, tena seriny amin’ny tombontsoa tsy maharitra? Tsy mitovy amin’ny an’i Jesôsy ve ny tanjontsika? Lasa manindrona loatra ve ny fahamarinana, sa ety loatra ny fampiharana izany amin’ny fanahintsika; ka tahaka ireo mpianatr’i Kristy izay tafintohina isika, moa nitodika tany amin’ireo abidim- pianarana tsy misy na inona na inona eto amin’izao tontolo izao koa va isika? Mandany vola ho amin’ny tanjona feno fitiavan-tena ka manome fahafaham-po ny faniriantsika manokana, kanefa misy fanahy maro maty tsy nahazo fahalalana momba an’i Jesôsy sy ny fahamarinana. Hafiriana no hitohizan’izany?TF 53.1

    Tokony hanana finoana velona ny rehetra — finoana izay miasa amim-pitiavana sy manadio ny fanahy. Vonona ny hanao ny zava-drehetra ny olona mba hampanaram-po ny nofo, saingy kely dia kely ny fahavononany hanao zavatra ho an’i Jesôsy sy ho an’ireo mpiara-belona aminy, izay very noho ny tsy fahalalana ny fahamarinana! (...)TF 53.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents