Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 17 - Ny Hafatr’i Malakia

    Ny faniniana sy ny fampitandremana ary ny teny fikasan’Andriamanitra dia nomena tao anatin’ny teny mazava tsara ao amin’ny Mal. 3:8: “Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy hianareo? Nefa hoy hianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao?” Hoy ny Tompo mamaly: “Amin’ny fahafolon-karena sy ny fanatitra. Voaozona amin'ny ozona hianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao.”TF 88.1

    Mihaika ireo izay novokisany tamin’ny fahatsarany ny Tompon’ny lanitra mba hizaha toetra Azy. “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. ” - Mal. 3:10.TF 88.2

    Tsy nihena na ny kely aza ny herin’io hafatra io. Vaovao mandrakariva ny lanjany, tahaka ny maha-vaovao sy tsy manam-pitsaharana ny fanomezan’Andriamanitra. Tsy sarotra ny mahatakatra ny andraikitsika manoloana io hafatra io, izay nomena tamin’ny alalan’ny mpaminany masin’Andriamanitra. Tsy navela hivembena tao anatin’ny fahamaizinana sy ny tsy fankatoavana isika. Nambara mazava tsara ny fahamarinana, ary azon’ireo izay maniry ny ho mahatoky eo imason’Andriamanitra atao tsara ny mahatakatra izany. An’i Jehôvah ny ampahafolon’ny vola rehetra miditra amintsika. Maninjitra ny tanany eo amin’io ampahany izay nomarihiny fa tsy maintsy haverintsika Aminy io Izy, ka milaza hoe: avelako hampiasa ny fitahiako ianao rehefa avy nanokana ny ampahafolony, sy niseho teo anoloako niaraka tamin’ny fanomezana sy ny fanatitra.TF 88.3

    Takin’Andriamanitra ny handrotsahana ny ampahafolony ao amin’ny trano firaketany. Aoka haverina Aminy amin’ny fomba hentitra sy amim-pahitsiana ary amim-pahatokiana io ampahany io. Ankoatra izany, mitaky fanomezana sy fanatitra avy aminao ihany koa Izy. Tsy misy olona terena hanolotra ampahafolony na fanomezana na fanatitra ho an’Andriamanitra. Saingy tahaka ny anomezana antsika ny Tenin’Andriamanitra, no hitakiany ny anjarany, miampy ny zana-bola, amin’ny olombelona tsirairay. Raha tsy mahatoky eo amin’ny famerenana amin’Andriamanitra ny anjarany ny olona, raha toa ka hamaivanin’izy ireo ny andraikitra apetrak’Andriamanitra amin’ny mpitantany, dia tsy hahazo intsony ny fitahiana avy amin’ny zavatra nankinin’Andriamanitra azy izy ireo (...).TF 89.1

    Nomen’Andriamanitra ny asa tandrify azy ny olona tsirairay. Tokony hiara-miasa Aminy ny mpanompony. Afaka mandà tsy hifandray amin’ny Mpanao azy ny olona, raha izany no safidiny; afaka mandà tsy hanolo-tena ho amin’ny fanompoana Azy sy tsy hitantana ny fananana nankininy taminy izy ireo; afaka tsy mampihatra ny fitsitsiana sy ny fandavan-tena izy ireo, ary afaka manadino fa mitaky ny hamerenana ny ampahany amin’izay nomeny Izy. Mpitantana tsy mahatoky avokoa ireo rehetra ireo.TF 89.2

    Hanao izay rehetra azony atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny mpitantana mahatoky; ary ny zavatra ilain’izao tontolo izao no tanjona tokana eo anoloany. Ho takany fa tsy maintsy zaraina ny hafatry ny fahamarinana, tsy eo amin’ny manodidina azy fotsiny ihany, fa any amin’ny faritra lavitra any ihany koa. Rehefa mikolokolo io toe-tsaina io ny olona, dia handroaka ny fitiavam-bola sy ny famitahana ary ny endrika tsy fahatokiana rehetra ny fitiavana ny fahamarinana sy ny fanamasinana horaisin’izy ireo amin’ny alalan’ny fahamarinana. - RH S, 1 Des. 1896.TF 89.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents