Ireo Farantsa Kely Anankiroan’ilay Vehivavy Mpitondratena
Teo amin’ny kianja nisy ny vata fanantazan-drakitra i Jesôsy, ka nanara-maso izay tonga nametraka ny fanomezany. Maro ny mpanan-karena no nitondra vola betsaka ary nentiny tamin’ny fisehosehoana. Nalahelo i Jesôsy nijery ireo, nefa tsy nasiany fitenenana ny fahalalahan-tanany. Izao kosa dia nanjary nazava ny endriny rehefa nijery ilay mpitondratena mahantra, izay nisalasala nanatona fa toa matahotra andrao misy mahita. Rehefa nanatona tamim- pahamendrehana ny mpanan-karena sy ny mpirehareha mba hametraka ny rakitra nentiny, dia nitakemotra izy, toa mila tsy ho sahy handroso. Nefa naniry mafy ny hanao zavatra izy, dia ny asa izay tiany na dia kely aza ny teo am-pelatanany. Nojereny ny fanomezana teny an-tanany. Kely dia kely izany raha ampitahaina amin’ny fanomezan’ny manodidina azy, fa io no mba hany fananany. Niandry ny fotoana mety izy dia narotsany haingana ny farantsa kely roa ary niverina haingana niala teo izy. Teo am-panaovana izany anefa dia hitany ny fijerin’i Jesôsy, izay nifantoka mafy tamin’ny azy.TF 190.2
Nantsoin’ny Mpamonjy teo Aminy ny mpianany ka nasainy nanamarika ny fahantran’ilay mpitondratena. Dia ren’ny sofiny tamin’izay ny teny fiderana nataon’i Jesôsy azy: «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan- drakitra. Feno ranomasom-pifaliana ny masony raha nahatsapa fa azo nankasitrahana ny fihetsiny. Betsaka ny mety ho nanoro hevitra hitazomany ny volakeliny mba hampiasainy ho an’ny tenany ihany; raha atao eo am- pelatanan'ny mpisorona efa tsara tohana izany, dia tsy ho hita ao anatin’ireo fanomezana sarobidy maro nentina tao amin’ny trano fitehirizana. Fantatr’i Jesôsy anefa ny hery nanosika io vehivavy mpitondratena io hanao izany. Nino izy fa notendren’Andriamanitra ny fanompoana tao amin’ilay tempoly, ary nahamay azy ny hanao izay farany azony natao mba hanohanana izany. Nanao izay vitany izy, ary tsangambato hotsarovany amin’ny fotoana rehetra ny fihetsika nataony sy ho fifaliany ho mandrakizay. Lasa niaraka tamin’ny fanomezany ny fony; tsy ny habetsahan’ny vola natolony fa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny tombontsoa hitany eo amin’ny asan’Andriamanitra izay nanosika ny fihetsiny no nanombanana izany.TF 191.1
Hoy i Jesôsy ny amin’ilay mpitondratena mahantra: “efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra izy.” Nanome avy amin’ny betsaka nananany ny manan-karena, ary ny maro tamin’ireo dia nanao izany mba ho hitan’ny olona sy hoderainy. Tsy nitarika fihafiana taminy ny fanomezany be dia be ary tsy nisy fiantraikany teo amin’ny fiadanany, na teo amin’ny zava- tsoa nanaranany fo akory aza; tsy nitaky fahafoizan-tena izany, ka tsy azo ampitahaina raha ny tombabidiny amin’ny farantsakelin’ilay mpitondratena.TF 191.2