Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Vinavina Mamitaka

    Maro no nampindrana vola tamin’ny nahim-pony tamin’ireo sahantsika mba hampiasaina hanaovana asa tsara ho an’ny Mpampianatra. I Satana anefa dia nanatontosa drafitra izay nampitsiry faniriana lalina tao an-tsain’ny anadahintsika mba hampiasa ny volany, tahaka ny amin’ny antsapaka. Misy olona iray, ary misy iray hafa koa, sodokan’ny fanehoana mahery vaika ny fahazoana tombontsoa ara-bola raha toa ka mampiasa fotsiny ny volany amin’ny resaka tany izy ireo. Koa dia nalainy tany amin’ireo sahantsika ny volany, ka naleviny tao ambanin’ny tany, izay tsy nahazoan’ny asan’Andriamanitra tombontsoa.TF 259.2

    Ary raha mahomby ny olona iray, dia tena dibo- kafaliana izy noho ny nahazoany dôlara an-jatony vitsivitsy, hany ka manapa-kevitra ny hitady vola hatrany izy raha mbola azony atao izany. Tohizany hatrany ny fampiasany vola eo amin’ny trano aman-tany na amin’ny harena an- kibon’ny tany. Tena nahomby ny hevi-petsin’i Satana; raha tokony hisy vola mitombo hirotsaka ao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra, dia nosintonina kosa ny hoenti- manana tao amin’ireo sahantsika, mba hahafahan’ny tompony mampiasa ny hareny amin’ny fandraharahana eo amin’ny harena an-kibon’ny tany na eo amin’ny fiantohana tany mba hahazoana tombony. Kolokoloina ny toe-tsain’ny fitiavan-karena, ary ilay olona izay kahihitra rahateo dia hanome amin’alahelo ny dôlara tsirairay izay angatahina mba hampiasaina ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra eto an-tany. - SpT, Andiany B, Lah. 17, t. 8.TF 260.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents