Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 12 — Mitahiry Mba Hanome

    Toko 56 - Fahaiza-Mitantana Ankinina Amin’ny Fahendren’ny Olombelona

    Ny drafitra tokana atolotry ny Filazantsara hampandeha ny asan’Andriamanitra dia ny famelana ny fanohanana izany asany izany hiankina amin’ny fahendren’ny olombelona. Tsy maintsy mamerina ny ampahany natokana ho an’Andriamanitra ny olombelona amin’ny fampifantohana tanteraka ny masony amin’ny voninahitr’Andriamanitra. Eo am-pitazanana ny hazo fijalian’i Kalvary, eo am-pibanjinana Ilay mpanavotra izao tontolo izao, izay tonga malahelo noho ny tombontsoantsika, mba hampanan-karena antsika ny alahelony, ho tsapantsika fa isika dia tsy mihary harena ho antsika eto an-tany, fa hihary harena ao amin’ny trano firaketan’ny lanitra, izay sady tsy manam-pahataperana no tsy mety ritra. Nomen’Andriamanitra ho an’ity tontolo misy antsika ity i Jesôsy, ka ny fanontaniana mipetraka dia hoe inona kosa no mba fanomezana ho an’Andriamanitra ho setrin’izany, mba ho fanatitra hanehoantsika fankasitrahana ny fitiavany? “Izay nahazo maimaim-poana dia hanome maimaim-poana.”TF 316.1

    Hanao ahoana re ny fahalehibeazan’ny fahalalahan- tànan’ireo mpitantam-pananana mahatoky rehetra mba hampitomboana ny fanomezana haterina ho ao an-trano firaketan’Andriamanitra, noho ny hampihena ny fanatitra atolony na dia amin’ny ampahany farany kely monja. Iza tokoa moa no tompoiny? Ho an’iza no hanomanany ny fanatitra ataony? - Ho an’Ilay Iray izay iankinany amin’ny zavatra tsara rehetra mampisitraka azy. Noho izany dia aoka tsy hisy na dia iray akory amintsika izay nandray ny fahasoavan’i Kristy, hanao izay hahatonga ny anjely ho menatra noho ny amintsika, na hanao izay hahamenatra an’i Jesôsy amin’ny fiantsoana antsika hoe rahalahy.TF 317.1

    Moa ve tokony hokolokoloina ny toe-tsaina tsy mahay mankasitraka, ka haharihary eo amin’ny fomba fanaontsika tsy maneho fahalalahan-tanana amin’ny fanohanana ny asan’Andriamanitra? - Tsia, tsia! Aoka isika hanolotra ny tenantsika ho toy ny fanatitra velona, ka hanolotra izay rehetra momba antsika amin’i Jesôsy. Azy avokoa ny zavatra rehetra; Isika dia fananany izay novidiny indray. Ireo izay nandray ny fahasoavany sy izay mibanjina ny hazo fijalian’i Kalvary dia tsy hametra-panontaniana sy hiady hevitra ny amin’ny habetsahan’izay hatolony ho an’Andriamanitra, fa hahatsapa kosa fa na dia ny fanatitra betsaka indrindra natolotra aza dia mbola tsy ampy ihany, ary tsy mifanaraka amin’ilay fanomezan-dehibe natolotr’ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra tsy misy fetra. Na dia izay mahantra indrindra aza dia hahita fomba hanolorana ho an’Andriamanitra noho ny fandavan-tena.TF 317.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents