Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiantoham-Barotra Hakana Tombony Mihoapampana ataon’ny Mpitandrina

    Manakaiky ny andro farany isika. Tsy ny hampianatra ny fahamarinana ankehitriny eny amin’ny polipitra fotsiny ihany no ilaintsika, fa ny miaina izany eny ivelan’ny polipitra koa. Diniho akaiky ny fototry ny fanantenanareo ny famonjena. Raha mbola mijoro eo amin’ny toeran’ny mpitory ny fahamarinana ianareo, mpitily eo amin’ny mandan’i Ziona, dia tsy ho vitanareo ny hampizarazara ny fifantohanareo ka hirotsaka eo amin’ny fandraharahana momba ny harena an-kibon’ny tany na ny trano aman-tany, no sady hamita tsara ny asa masina napetraka teo am-pelatananareo. Tsy azo zarazaraina ny fifantohana rehefa misy fanahin’olona voakasika, sy rehefa misy fahamarinana mandrakizay tafiditra.TF 260.2

    Izany mihitsy no zava-miseho eo aminareo. Tsy nikolokolo toe-panahy araka an’Andriamanitra avy amin’ny fo marina ianareo raha nirotsaka teo amin’io fandraharahana io. Nanana faniriana nivaivay ny hahazo vola ianareo. Niresaka tamin’ny olona maro ianareo momba ny tombontsoa ara- bola ho azo avy amin’ny fampiasana vola eo amin’ny tany any . Nosoritsontanareo imbetsaka ireo tombontsoa avy amin’ireo asa ireo; ary nandritra izany dia mpitandrina voahosotra ho an’i Kristy ianareo, nivoady ny hanolotra ny fanahinareo sy ny vatanareo ary ny sainareo ho amin’ny asa famonjem-panahy. Nandritra izany fotoana izany dia nandray vola avy tao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra ianareo, ho fanohanana anareo sy ny fianakavianareo. Ny resaka nataonareo dia nokendrenareo mba hisintona ny fifantohana sy ny volan’ny vahoakantsika hiala avy ao amin’ny sahantsika sy avy eo amin’ny asa fampiroboroboana ny fanjakan’ny Mpanavotra eto an-tany. Ny fikasanareo dia ny hampiteraka ao anatin’izy ireo ny faniriana hampiasa ny volany eo amin’izay nanomezanareo toky azy ireo fa hitombo avo roa heny ao anatin’ny fotoana fohy izany, sy ny handrobo azy ireo amin’ny vinavina fa afaka manampy ny asan’Andriamanitra misimisy kokoa izy ireo amin’ny fanaovany izany (...)TF 261.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents