Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fitakian'Andriamanitra Amintsika

    Manan-java-takina amintsika sy amin'izay rehetra ananantsika Andriamanitra. Ambonin'ny fitakiana hafa rehetra ny fitakiany. Ary ho fanekena io fitakiana io, dia mandidy antsika Izy mba hamerina Aminy ampahany raikitra amin’izay rehetra omeny antsika. Ny ampahafolony io ampahany voatondro manokana io. Natokana ho an'i Jehôvah, araka ny toromarika nomeny, izany fahiny (...).TF 74.2

    Rehefa nanafaka ny Isiraely mba ho rakitra soa ho Azy Andriamanitra, dia nampianariny izy ireo mba hanokana ny ampahafolon'ny fananany ho amin’ny fanompoana tao an-tempoly. Fanatitra manokana ho amin’ny asa manokana io. An'Andriamanitra ny ambiny rehetra amin’ny fananany, ka tokony hampiasaina ho voninahiny. Natokana ho fanohanana ireo izay niasa tao amin’ny fitoerana masina anefa ny ampahafolony. Nomena avy tamin’ny voaloham- bokatra rehetra izany, ary, dia nanolotra vola betsaka ho fanohanana ny asan'ny filazantsara tamin'izany andro izany.TF 74.3

    Tsy mitaky amintsika latsak’izay notakiny tamin’ny vahoakany fahiny Andriamanitra. Tsy mihena ny fanomezana atolony antsika, fa lehibe noho ny an’ny Isiraely fahagola. Mitaky hoenti-manana, ary mbola hitaky hatrany, ny asany. Tsy maintsy tohizana ny asa misiônera lehibe ho famonjem- panahy. Ao anatin’ny ampahafolony, miampy fanomezana sy fanatitra, no anomezan’Andriamanitra mihoatra noho izay ilaina ho an’io asa io. Nokendreny hotohanana amin’ny fahafenoany ny asan’ny filazantsara. Takiny ho an’ny Tenany ny ampahafolony, ary tokony horaisina ho tahiry masina mandrakariva izany, hatao ao amin’ny trano firaketany ho tombontsoan’ny asa, ho fampandrosoana ny asany sy ho fampandehanana ireo irany any “amin’ny tany any ankoatranareo”, ary hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany mihitsy aza.TF 75.1

    Manan-jo amin’ny zava-drehetra Andriamanitra, amin’ny olombelona sy ny amin’ny fananany, satria Azy avokoa ny zava-drehetra. Hoy Izy: Izaho no Tompon’izao tontolo izao; Ahy izao rehetra àry izao, ka mitaky ny hanokananao ho amin’ny fanompoana Ahy ny voaloham-bokatr’izay rehetra nataoko tonga teo am-pelatananao, tamin’ny alalan’ny fitahiana narotsako. Manambara ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao” — Eks. 22:29; “Mankalazà an’i Jehovah amin'ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra”. - Ohab. 3:9. Io anjara takiny io no famantarana ny fahatokiantsika Azy.TF 75.2

    An’Andriamanitra isika; zanany lahy sy zanany vavy isika, Azy tamin’ny alalan’ny famoronany, ary Azy tamin’ny alalan’ny fanolorany ny Zanany lahy tokana ho fanavotana antsika. “Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom- boavidy hianareo; ka dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.” — 1 Kôr. 6:19,20. An’Andriamanitra ny saina, ny fo, ny sitrapo, ary ny fitiavana; an’i Jehôvah ny vola izay kirakiraintsika. Vokatry ny fahalalahan-tanan’Andriamanitra avokoa ny zava-tsoa rehetra raintsintsika sy ifaliantsika. Andriamanitra no mpanome malalaka ny zava-tsoa rehetra, ka iriny ny mba hisian’ny fankasitrahana avy amin’ny mpandray izany fanomezana izany ho an’izay manolotra ireo rehetra ilain’ny vatana sy fanahy. Ny Azy ihany no angatahin’Andriamanitra. An’i Jehôvah ny ampahany voalohany, ka tsy maintsy ampiasaina amin’ny maha-harena nankinina tamintsika azy. Ny fo tsy misy fitiavan-tena dia ho mora voakasiky ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fitiavana, ka hanaiky amin-kafanam-po ny fitakiana ara-drariny ataony. - RH, 8 Des. 1896.TF 76.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents