Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 8 - Firaiketam-Po Tanteraka Amin’ny Fiangonana

    Tokony ho tso-po ny mpino tsirairay avy eo amin’ny firaiketam-pony amin’ny fiangonana. Ny firoboroboan’izany no zavatra tokony hifantohan’ny sainy voalohany indrindra, ary raha tsy tsapany fa adidiny masina ny hanao ny fifandraisany amin’ny fiangonana ho tombontsoan’ny fiangonana fa tsy ho tombontsoany, dia afaka manao zavatra tsara lavitra tsy misy azy ny fiangonana. Manana fahefana hanao zavatra ho an’Andriamanitra ny rehetra. Misy ireo izay mandany vola maro ho amin’ny rentirenty tsy ilaina; manome fahafaham-po ny hatendan-kaniny izy ireo, nefa raisiny ho enta-mavesatra ny manolotra fananana ho fanohanana ny fiangonana. Vonona ny handray ny tombony sy ny tombontsoa rehetra avy amin’izany izy ireo, saingy aleony apetraka amin’ny hafa ny fandoavana ireo fandaniana. Ireo izay tena liana lalina amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra, dia tsy hisalasala ny hanokana vola ho amin’izany, na oviana na oviana ary na aiza na aiza no ilàna izany. - 4T, t. 18.TF 42.1

    Ireo izay mifaly amin’ny fahazavana sarobidin’ny fahamarinana dia tokony hahatsapa faniriana miredareda ny hampielezana izany eny rehetra eny. Misy mpitondra ny faneva mahatoky vitsy izay tsy mihemotra manoloana adidy na mandositra andraikitra. Misokatra mandrakariva amin’ny antso rehetra ho amin’ny vola hampandrosoana ny asan’Andriamanitra ny fony sy ny kitapom-bolany. Misy olona sasany tokoa mantsy vonona ny hihoatra ny adidiny, tahaka ny hoe matahotra izy ireo fandrao manary tombontsoa iray hahafahany mandrotsaka ny anjarany any amin’ny bankin’ny lanitra.TF 42.2

    Misy hafa koa anefa izay hanao kely araka izay azo atao. Angoniny ny harenany, na lanilaniany foana amin’ny tenany ny volany, ka zara raha manome tsy sazoka fiantrana kely mba hanohanana ny asan’Andriamanitra izy. Raha manao fanekena na voady amin’Andriamanitra izy, dia manenina ny amin’izany atỳ aoriana, ka ezahiny hahemotra araka izay azony atao ny fandoavana izany, ary mety tsy haloany mihitsy koa aza. Ataony kely araka izay azony atao ny ampahafolony, tahaka ny hoe matahotra izy fandrao very izay averiny amin’Andriamanitra. Mety ho sahirana ara-bola ireo sahan’asantsika maro isan-karazana, fa io sarangan’olona io dia mitondra tena tahaka ny hoe tsy mampiraika azy na miroborobo izany na tsia. Kanefa dia fitaovana ampiasain’Andriamanitra mba hampielezana ny fahazavana eto amin’izao tontolo izao izy ireo. - 4T, tt. 477,478.TF 43.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents