Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mandray Mitohy mba Hanome tsy an-kiato

    Tahaka ny andraisantsika tsy an-kiato ny fitahian'Andriamanitra, no tokony hanomezantsika tsy an- kiato ihany koa. Rehefa mitsahatra tsy manolotra fitahiana ho antsika intsony ilay Mpanao soa avy any an-danitra, dia amin'izay vao ho afa-tsiny isika, satria tsy hanan-javatra hatolotra intsony. Tsy navelan'Andriamanitra na oviana na oviana tsy hanana porofon'ny fitiavany isika, tamin'ny nanasoavany antsika. (...)TF 15.2

    Hazonin'ny fikarakaran'Andriamanitra sy tohanan'ny heriny amin’ny fotoana tsirairay lalovantsika isika. Fenoiny sakafo ny latabatsika. Omeny torimaso mamy sy mamelombelona isika. Isan-kerinandro dia omeny ny Sabata isika, mba hialantsika sasatra amin'ny asantsika eto an-tany, izay mandalo, sy hiankohofantsika eo Aminy ao amin’ny tranony. Nomeny antsika ny Teniny mba ho fanilon'ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika. Hitantsika ao anatin'ireo takilany masina ireo torohevitry ny fahendrena; ary arakaraka ny hanandratantsika any Aminy ao anatin'ny fibebahana sy finoana ny fontsika, no anomezany antsika ireo fitahian'ny fahasoavany. Ambonin'ny zavatra hafa rehetra ny fanomezana lehibe indrindra, dia ny fanomezana ny Zanaka malalan'Andriamanitra, izay ikorianan'ny fitahiana rehetra ho amin'izao fiainana izao sy ho amin’ny fiainana ho avy.TF 15.3

    Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka antsika isaky ny indray mandingana. Raha tsy efa irintsika ny hampitsaharan'ilay Ray mandrakizay ny fandrotsahany ny fitahiany amintsika, izay vao tokony ho dodona hilaza isika hoe: tsy misy fiafarany ve ity fanomezana ho an'Andriamanitra ity? Tsy hoe tokony hamerina amim- pahatokiana amin'Andriamanitra ny ampahafolontsika ihany isika, izay lazainy fa Azy rahateo, fa tokony hitondra fanomezana ao amin’ny trano firaketany ihany koa, ho fanati-pisaorana. Andao hoentintsika amin’ny fo ravoravo eo anatrehan'ny Mpamorona antsika ireo voaloham-bokatry ny fitahiany rehetra,- ireo fananantsika tsara indrindra, ny fanompoantsika tsara sy masina indrindra. - RH, 9 Feb. 1886 .TF 16.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents