Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Filàna Famohazana ny Feon’ny Fieritreretana

    Tokony hisy fifohazana sy fiheverana manokana izany eo anivontsika amin’ny maha-vahoaka voafidy antsika. Mbola vitsy ihany mantsy no tsy tafandry mandry rehefa latsaka amin’ny fanaovana an-tsirambina ny andraikitra tokony hataony manoloana ireny voady natao ireny. Ary vitsy no mahatsapa manenina sy enjehin’ny eritreriny noho ny fandrobana isan’andro an’Andriamanitra.TF 355.1

    Raha misy Kristianina tsy nandoa araka ny tokony ho izy izay tokony haloany amin’ny manodidina azy na koa mandà tsy hamerina amim-pahatokiana ny vola notrosainy, dia hanenjika azy mandrakariva ny eritreriny raha tsy hoe angaha efa manamafy fo tsotra izao izy; ary dia tsy hahita fitsaharana mihitsy izy na dia tsy misy olon-kafa mahafantatra izany ankoatra ny tenany aza. Maro loatra ireo izay manao an-tsirambina ny voady nataony ary tsy mahatanteraka ny fanekena nataony; mba firy anefa no mahatsapa fa tsy mandry saina ny amin’izany, firy monja no mba mahatsapa tena ho meloka noho ny tsy fanitsakitsahana izany andraikitra izany.TF 355.2

    Tsy maintsy manana faharesen-dahatra vaovao sy lalina kokoa mahakasika ity toe-javatra ity isika. Tokony hofohazina indray ny feon’ny fieritreretana ka horaisina amim-pitandremana sy amim-pahamatorana fatratra ny momba izany; satria tsy maintsy hampamoahina eo anoloan’Andriamanitra isika amin’ny andro farany, ary tsy maintsy tanterahina ny fitakiany. - 4T 468.TF 355.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents