Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mpanan-Karena Nefa Mahantra; Mahantra Nefa Mpanan-Karena

    Ho hita eto ny fahefan’ny harena. Mihazona ny olombelona tsy ho afa-mikofoka mihitsy ny hery miasa manginan’ny fitiavam-bola eo amin’ny fanahiny. Ny harena dia mitarika ho amin’ny fizahozahoana ary misarika ireo manana azy hanao zavatra tsy voahevitra. Mitombo miaraka amin’ny hareny ny fanahiany ny amin’ny hoavy. Manana fironana hanangona hatrany hatrany izy ireny entiny hiatrehana ny hoavy. Kahihitra, tia tena ary mihevitra izy fa tsy afaka manome azy izay ilainy Andriamanitra. Mahantra indrindra izy ireny hoy i Jesôsy satria mametraka ny fitokiany amin’ny harena, tsy mitsaha-mitombo ao aminy izany ka nanary ny finoany an’Andriamanitra sy ireo teny fikasany izy.TF 166.1

    Ny olona mahantra kanefa mahatoky sy manana faharetana ary mampiasa izay kely eo am-pelatanany entina hanompoana ny hafa dia manan-karena indrindra eo imason’Andriamanitra. Mahatsapa izy fa manana anjara eo aminy ny hafa araka ny didin’Andriamanitra izay tsy azo atao tsinontsinona manao hoe: «tiava ny namanao tahaka ny tenanao.» Mihevitra izy fa manoatra lavitra noho ny volamena sy ny harena eto an-tany ny famonjena ny fanahin’ny hafa.TF 166.2

    Manoro ny fomba tokony hatao mba ahazoana ny harena tena izy ho an’ireo izay mahantra eo imasony Kristy; hoy izy manao hoe: “Amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny malahelo ” - Lio. 19:21, ary “katsaho ny harena any an-danitra.” Ny fanafody atolony dia ny famindrany ny fitiavany hifantoka amin’ilay lova izay maharitra mandrakizay. Eo am-pampiasana ny hareny ho an’Andriamanitra entina hanavotana fanahy sy hamonjena izay mila izany izy ireny dia lasa mitombo ho amin’ny asa tsara ary “hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba ihazonany ny tena fiainana” — 1 Tim. 6:19. Manao petra-bola azo antoka izy ireny.TF 166.3

    Fa maro ireo olona izay maneho amin’ny alalan’ny asany fa tsy mahatoky ny trano fitehirizan-karen’ny lanitra izy ireo. Aleony mampiasa ny volany ho an’ny zavatry ny tany toa izay ho an’ny zavatry ny lanitra. Noho izany dia mila manao ezaka mafy izy ireny mba handreseny ireo rendrarendra sy ny fitiavana izao tontolo izao. Tena mampahonena ireny mpanan-karena izay manambara ny tenany fa mpanompon’Andriamanitra ireny kanefa rehefa zohina dia tena mahantra tokoa. Na dia mihambo ho mahalala an’Andriamanitra aza izy ireny dia mandà Azy amin’ny asany. Mba manao ahoana tokoa moa ny hatevin’ny haizina izay manarona azy ireny. Milaza ho mino ny fahamarinana izy kanefa tsy mivelona amin’ny finoany. Ny fitiavam-bola dia mitarika ny olona ho tia tena, mpitady ny azy sy hitady ny mihoatra lavitra ny fetra.TF 167.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents