Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ho an’ny Fanomezana Rehetra

    Tahaka izany [entina ilazana ny fanandraman’i Abrahama sy i Jakôba eo amin’ny fandoavana ampahafolony] no fanaon’ny patriarika sy mpaminany mialoha ny nampiorenana ny Jiosy ho firenena. Rehefa lasa vahoaka manokana anefa ny Isiraely, dia nomen’ny Tompo toromarika mazava momba io lafiny io izy ireo: “Ary ny ampahafolon'ny vokatra rehetra ao amin'ny tany, na avy amin'ny tanimbary, na avy amin'ny saha, dia an'i Jehovah; masina ho an'i Jehovah izany.” Tsy nofoanana niaraka tamin’ireo didy sy fanaterana sorona izay naneho an’i Kristy io lalàna io. Raha mbola manana olona eto ambonin’ny tany Andriamanitra, dia tsy hiova ny fitakiany amin’izy ireo.TF 69.1

    An’i Jehôvah ny ampahafolon’ny vokatra rehetra. Natokany ho Azy izany, mba hampiasaina ho amin’ny raharaha ara-pivavahana. Masina izany. Tsy nanaiky fanomezana latsak’io Izy. Hitarika ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ny fanaovana tsirambina na ny fanemorana io adidy io. Ho feno ny trano firaketan’Andriamanitra raha toa ka nitondra teo Aminy tamim-pahatokiana ny ampahafolony ireo rehetra milaza ny tenany ho Kristianina. - RH, 16 May 1882.TF 69.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents