Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fisarihan’ny Lôtery

    Dia nisy resaka lôtery koa nifandray tamin’io, ary nisy tanora lahy iray nandeha tamin’izany ka nahazo famantaranandro volamena. Dia ahoana àry? Mety ho tena volamena tokoa ilay famantaranandro, mety tsy nisy fisolokiana tao, saingy misy fisolokiana ao ambadik’izany rehetra izany, ary izany ilay fandrika velarin’i Satana. Raha nahazo izany indray mandeha izy, dia haniry ny hanandrana izany indray. Aleoko lavitra, raha toa ka zanako izy, ny hahita azy hitsotra ao anatin’ny vatampatiny noho ny hahita azy hanao io famantaranandro volamena io. Dia misy zatovo lahy hafa koa eto. Asehony amin’izy ireo ilay famantaranandrony volamena, ary dia mangidihidy ny hitsapa ny vintany amin’io fomba io mihitsy koa izy ireo, ka dia hanandrana izany koa. Dia misy hafa manandrana koa rehefa avy eo, ary mbola misy hafa koa; ary dia miampitampita avy eo amin’ny anankiray mankamin’ny anankiray hafa ny hery miasa mangina avy amin’izany; ary fantatry ny devoly mihitsy ny fomba ilalaovana ny lalaony. - MS 1, 1890.TF 263.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents