Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 47 - Fiharian-Karena Tsy Hendry

    Herinandro vitsivitsy lasa izay, raha nanatrika ny lasy fihaonam-be tany San Jose ny tenako [1905], dia namelabelatra tamiko izay heveriny ho tombony fanararaotra ny sasany tamin’ireo anadahintsika, dia ny hampiasa vola amin’ny harena an-kibon’ny tany sy amin’ny fitaovana fampiasa amin’ny lalam-by, izay hitondra tombom-barotra betsaka tokoa. Toa nahazo toky tokoa izy ireo fa hahomby izany, ary efa niresaka sahady momba ny zavatra tsara hataony amin’izay tombom-barotra antenainy fa ho azony izy ireo.TF 265.1

    Nisy olona hafa koa nanatrika teo, ary toa liana hahafantatra hoe ahoana no handraisako izany soso-kevitra izany. Nolazaiko tamin’izy ireo fa tena tsy azo antoka mihitsy ny fampiasam-bola tahaka izany. Tsy ho azon’izy ireo antoka mihitsy fa tena hahomby tokoa ireo fandraharahana ireo. Noresahiko tamin’izy ireo ny amin’ny valisoa mandrakizay izay ampanantenaina ho an’ireo izay mihary ny hareny any an-danitra; fa ny momba izany vinavinan’asa tsy azo antoka izany, dia niangavy azy ireo aho, noho ny amin’i Kristy, mba hatsahatra avy hatrany teo amin’izay nisy azy.TF 265.2

    Nandritra ny alina dia nomena toromarika aho mba hilaza amin’ny vahoakan’Andriamanitra fa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra mihitsy ny hampiasan’ireo izay mino ny fiverenany tsy ho ela intsony ny volany amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany. Izany dia toy ny fandevenana ny talentan’Andriamanitra any ambanin’ny tany. Hovakiko ny dika mitovin’ny taratasy izay nosoratako ho an’ny anadahy anankiray izay noresahiko teo:TF 265.3

    “San Jose, California,

    faha-02 Jolay 1905

    “Ranadahy malala,

    “Naneho soso-kevitra iray tamiko momba ny fampiasam- bola amin’ny harena an-kibon’ny tany ianao. Ary mahatsapa ho feno antoka ianao fa izany karazam-pampiasam-bola izany dia hitondra fahombiazana tokoa, ka mieritreritra ianao fa amin’ny alalan’izany fomba izany no hahafahanao manampy betsaka tokoa ny asan’Andriamanitra.TF 266.1

    “Nampahafantarin’ny Tompo ahy fa mandritra ny fivoriana izay hatrehiko dia hihaona amin’ny olona izay hampiriska ny vahoakantsika hampiasa ny volany amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany aho. Nasaina hilaza aho fa torohevitra avy amin’ny fahavalo izany mba handaniana na hanagejana ny harena izay tena ilaina hampandrosoana ny asan’Andriamanitra. Izany no fandrika amin’ny andro farany, dia ny hampidi-kizo ny vahoakan’Andriamanitra ho amin’ny fahaverezan’ny renivola nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo, izay tokony hampiasaina amim-pahendrena hanohanana ny asa famaboam-panahy. Satria betsaka loatra ny vola ampiasaina amin’ireny asa tena tsy azo itokiana ireny, dia manjary ny asan’Andriamanitra no lasa mandringa noho ny tsy fahampian’ny talenta entina mambabo fanahy ho an’i Kristy (...)TF 266.2

    “Tamin’ny fahitana tamin’ny alina no nanandratako ny feoko ho fampitandremana ny fiantoham-barotra araka izao tontolo izao”. Hoy aho, ‘Manasa anareo aho mba handray anjara amin’ny fitrandrahana ny harena izay mbola tsy nisy mpitrandraka hatramin’izay’.TF 266.3

    “Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.'”- Mat. 13:44 (...)TF 266.4

    “Raha mampiasa vola ho amin’ny haren’ny lanitra isika dia tena azo antoka ny tombony. lzao no lazainy: ‘Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo. ‘“— Isa. 55:2TF 267.1

    “Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa; ary rehefa nahita vato soa izay saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy. ‘ -Mat. 13:45,46TF 267.2

    “Ry ranadahiko, moa ve ianareo vonona hanao fampiasam-bola mba hahazoana ny vatosoan’ny lanitra izay tena sarobidy tokoa? (...) Io no fitrandrahana harena ahazoanao mampiasa ny volanao izay tsy atahorana hitondra fahadisoam-panantenana. Ry sakaiza malala, tsy manana na dia iray dôlara monja azo ampiasaina amin’ny asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto amin’izao tontolo izao avy amin’ny volan’Andriamanitra isika.”TF 267.3

    Tena mampalahelo ahy mihitsy ny mahita ny mambrantsika manao hadisoana amin’ny fandevenana ny renivola natolotr’Andrimanitra hampandehanana ny asany amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, na dia mieritreritra ny hampitombo izany aza izy ireo. Toa mitondra fampirishana ny tombantombana atao momba izany nefa betsaka no efa nisedra fahadisoam-panantenana.TF 267.4

    Tadidiko ny amin’ny anadahy anankiray izay nanam- pahalianana tamin’ny asa sy ny raharahan’Andriamanitra. Taona vitsy lasa izay, fony tany Aostralia aho, dia nanoratra tamiko io anadahy io, nilaza fa manao asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izy izay heveriny fa hitondra tombony betsaka ho azy tokoa. Nilaza izy fa iriny ny hanome ahy ampahany amin’izay mety ho azony. Indray mandeha dia nanoratra tamiko izy nilaza hoe: “Efa manomboka mihatsara ny fitrandrahana ary tsy ho ela intsony dia ho azontsika ny tombony.” Kanefa tsy hita akory izay tombony nivaingana teo; ary taorian’ny fitrandrahana nandaniana an’arivony dôlara maro aza dia nivarina ho amin’ny fatiantoka tanteraka ny asany.TF 267.5

    Iray amin’ireo tranga mateti-piseho misarika ny saiko izany. Betsaka no maneho ny alahelony tamiko noho ny fampirishany olona hampiasa ny volany amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Raha misy nandray vola avy amin’ny anadahy na rahavavy iray eto hanaovana izany fampiasam-bola izany dia adidiny ny mamerina izany vola izany amin’ny tompony, raha sitrak’ilay nanolotra ny vola izany.TF 268.1

    Mampitandrina anareo aho mba hanehoanareo fahamalinana fatratra eo amin’ny fomba fitantanana ny fananan’Andriamanitra. Aoka hapetrakareo ao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra izany mba ho azonareo antoka ny fahazoana tombony tsy mety ritra avy ao amin’ny trano fitehirizana ireo haren’ny fanjakany.TF 268.2

    Efa hatramin’ny ela ny vahoakan’Andriamanitra no mora afa-po tamin’ny fahamarinana ivelambelany fotsiny ihany. Mila mikaroka ny lalindalina sy ny mandrakizay ary ny lavidavitra kokoa amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Ka rehefa hitan’izy ireo izany dia hamidiny am-pifaliana izay ananany mba hahafahany mividy ilay saha. - SpT, Andiany B, Lab. 17a, tt 8-13TF 268.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents