Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiomanana ho amin’ny Fotoan-Tsarotra

    Tsy hisy asany ho an’ny olona masina intsony ny trano sy ny tany amin’ny fotoan-tsarotra, satria voatery handositra ireo vahoaka marobe romotra manenjika azy izy ireo, ary amin’izay fotoana izay koa ny fananany dia tsy azony homena intsony na hamidy hoentina hampandrosoana ny fahamarinana ankehitriny. Naseho tamiko fa irin’Andriamanitra ny hanafahan’ny olo-masina ny tenany amin’ny zavatra manavesatra sy manelingelina rehetra mialoha ny hiavian’ny fotoan-tsarotra, sy ny hanaovany fanekena amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanatitra. Raha atolotr’izy ireo eo amin’ny alitara ny fananany, ka mangataka amim-pahamatorana toromarika avy amin’Andriamanitra momba ny adidiny izy ireo, dia hanoro azy ny amin’ny fotoana hanomezana ireo zavatra ireo Andriamanitra. Amin’izay dia ho afaka izy ireo amin’ny fotoan-tsarotra, ka tsy hanana entana hitambesatra aminy intsony.TF 64.1

    Naseho ahy fa raha misy olona mifikitra amin’ny fananany, ka tsy nangataka taridalana tamin’ny Tompo hanoro azy ny amin’izay tokony ho adidiny, dia tsy hampahafantatra azy izany ho adidiny izany mihitsy Izy, ary dia havela hihazona ny fananany ihany izy ireo, ka rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia hianjera amin’izy ireo tahaka ny tendrombohitra hanototra azy ireo izany fananany izany; dia hihevitra ny hamotsotra an’ireo fananany ireo amin’izay izy, kanefa indrisy fa tsy ho afaka hanao izany intsony. Nandre fitomaniana tahaka izao aho: “Nitarazoka ny asa, noana fahamarinana ny vahoakan’Andriamanitra, nefa tsy nanao ezaka mba hanomezana ny tsy ampy isika; tsy misy ilàna azy intsony ankehitriny ny fananantsika. Tahaka izay mantsy, raha mba nomentsika izany, ka nihary harena tany an-danitra isika!”TF 64.2

    Hitako fa tsy nitombo ny fanatitra, fa vao mainka aza nihena sy nolevonina. Hitako ihany koa fa tsy mangataka ny vahoakany rehetra mba hanolotra ny fananany amin’ny fotoana mitovy Andriamanitra, fa raha tian’izy ireo ny hampianarina, dia hampianatra azy ireo Izy, amin’ny fotoana ilàna izany, ny fotoana tokony hivarotana ny fananany sy izay habetsahan’ny hamidy. Misy sasany izay nangatahina hanolotra ny fananany tamin’ny fotoana lasa mba hanohanana ny asa, raha mbola navela hihazona ny azy eny aloha ny hafa mandra-pahatongan’ny fotoana. Koa rehefa mila izany ny asan’Andriamanitra, dia andraikitr’izy ireo ny mivarotra izany. — EW. 56, 57.TF 65.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents