Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiahiana ny Hafa

    Ireo izay tonga ao amin’ny sekolintsika dia tokony hanana hery miasa mangina ho an’ny Mpamonjy; kanefa iza moa no manonona ny anaran’i Kristy? Ary iza ireo izay hita ho miangavy amin-kafanam-po fatratra ireo namany mba hahafoy ny lalam-pahotany ary hifidy ny lalam-pahamasinana?HAT 178.2

    Izany no lalana tokony halehan’ny tanora, kanefa tsy arahiny; aleony manaraka ny fihetseham-pony ka hiaraka amin’ny mpanota amin’ny fanatanjahan-tena sy fahafinaretana. Manana sehatra lehibe hahatonga azy ho mahasoa ny tanora, kanefa tsy hitany izany. E, raha mba maniry izy ireo ny hampiasa ny herin-tsainy amin’ny fitadiavana fomba hanatonana ireo mpanota ho very, mba hampahafantarana amin’izy ireo ny lalan’ny fahamasinana, ary amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fiangaviana no ahazoana na dia fanahy iray aza ho an’i Kristy!HAT 178.3

    Asa mendrika manao ahoana re izany? Fanahy iray izay hidera an’Andriamanitra mandritra ny mandrakizay! Fanahy iray izay hankafy ny fahasambarana sy ny fiainana mandrakizay! Vato soa sarobidy iray eo amin’ny satro-boninahiny izay hamirapiratra ho toy ny kintana mandrakizay! Kanefa hihoatra ny iray no ho azo hoentina hiala amin’ny fahadisoana ho amin’ny fahamarinana, hiala amin’ny fahotana ho amin’ny fahamasinana. Izao no lazain’i Jehôvah tamin’ny alalan’ny mpaminany: «Ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.» Ary ireo izay mirotsaka an-tsehatra miaraka amin’i Kristy sy ny anjely amin’ny asa famonjena ny fanahy very dia hahazo valisoa be tokoa any amin’ny fanjakan’ny lanitra.HAT 179.1

    Hitako fa fanahy maro no mety ho voavonjy raha eo amin’ny toerana izay tokony hisy azy ny tanora, manolo-tena amin’Andriamanitra sy amin’ny fahamarinana; kanefa amin’ny kapobeny dia mipetraka eo amin’ny toerana izay tsy maintsy anomezana azy asa mafy mandrakariva izy ireo, raha tsy izany dia ho lasan’izao tontolo izao. Loharanom-pitebitebena sy aretim-po mandrakariva izy ireo. Betsaka ny ranomaso milatsaka noho ny amin’izy ireo, ary vavaka amim-pangirifiriana sy amim-pientanana avy ao amin’ny fon’ny ray aman-dreny no atao ho azy ireo. Kanefa dia mbola mandroso ihany izy ireo, tsy miraika amin’ny fahoriana izay ateraky ny fitondran-tenany. Manidrona tsilo ny fon’ireo izay maniry ny ho faty hamonjy azy izy ireo sy hahatonga azy amin’izay nikendren’Andriamanitra fa tokony hisy azy izy ireo noho ny fahamendrehan’ny ran’i Kristy (...)HAT 179.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents