Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 129 — Hery Miasa Mangina Mampidi-Doza

    Manga taka ny tanorantsika any an-tsekoly aho mba hitondra tena mendrika. Tsy ankasitrahan’i Jehôvah ny fiorenan-tsaina amin’ny zavatra tsinontsinona. Ireny karazam-panatanjahan-tena sy lalao ataony ireny dia samy mitarika azy ho any amin’ny vavahadin’ny fakam-panahy azy avokoa. Tsy azo atao mihitsy ny mamela ny saina hieritreritra zavatra misavoamboana sy mirefarefa. Ireo fahafahana ara-tsaina rehetra dia samy fanomezana avy amin’Andriamanitra. Mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ny toetra manaraka fitsipi-pifehezana, toetra ambony ary madio. Rehefa miara-miasa amin’ny retsi-pandren’ny sain’olombelona ny Fanahy Masina dia hisy hery hanosika hanandratra ambony sy masina (...).HAT 333.2

    Ny toe-tsaina ambany sy mirefarefa amin’ny tany kosa no mahatonga toe-tsaina da fahafinaretana: amin’ny fisotro, amin’ny fihinana, amin’ny fihira sy amin’ny fanaovana mozika. Toy ny fanatitra aterina amin’i Satana avokoa ireny (...)HAT 333.3

    Ireo izay mirotsaka amin’ireny fahafinaretana mamoafady ireny dia mitady fandotoana tsy hay diovina amin’ny tenany. Mahatonga ratra mamela takaitra eo amin’ny fanahiny izany. Aoka ireo izay tsy nahafantatra ny hadisoany hifona ka hibebaka ny amin’izany ary hahazo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra izy ireo, hanana ihany koa ny fahaizana manavaka ny tsara amin’ny ratsy hitandroan’izy ireo ny vavahadin-tsainy rehetra mba hahafahany manavaka ny masina amin’ny tsy masina ary hahapotika izany tanteraka. — Counsels to Teachers tt. 366-368 .HAT 333.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents