Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Fahatokiana Voarakitra

    Endrika fitiavan-tena maharikoriko indrindra no mitarika ny mpiasa hanao tsirambina ny fampiasana tsara ny fotoana sy ny fikarakarana ny fananana satria tsy eo ambany mason’ny Tompo mivantana. Kanefa moa ve mihevitra ireny mpiasa ireny fa tsy voamarika ny tsirambina ataony, tsy voarakitra ny tsy fahatokiany? Raha azo sokafana ny masony dia ho hitany mijery avy any ambony ny Mpiambina anankiray, ary voarakitra ao amin’ny bokin’ny lanitra ny tsirambina rehetra nataony.HAT 202.2

    Tsy manana fitsipi-piainana ireo izay tsy mahatoky amin’ny asan’Andriamanitra; ny hery manosika azy ireo dia tsy manana vaika izay hitarika azy ireo hifidy ny mahitsy amin’ny toe-javatra rehetra. Ny mpanompon’Andriamanitra dia tokony hahatsapa amin’ny fotoana rehetra fa eo ambany mason’ny mpampiasa azy ireo izy ireo. Ilay anankiray izay nijery ny fety tsy nanaja izay masina nataon’i Belsazara dia manatrika eo amin’ny toeram-piasantsika rehetra, ao amin’ny trano fanaovan-kaonty amin’ny fivarotana, eo amin’ny trano fiasana manokana; ary ilay tanana tsy misy ra dia azo antoka fa mirakitra an-tsoratra ny tsirambina ataonao tahaka ny niraketana ny fitsarana mahatsiravina an’ilay mpanjaka mpiteny ratsy. Voasoratra tamin’ny teny afo ny fanamelohana an’i Belsazara: “Efa voalanja tamin’ny mizana hianao ka, indro, latsan-danja.» Ary raha tsy manatanteraka ny adidy izay nomen’Andriamanitra anao ianao dia hitovy amin’izany ny fanamelohanao.HAT 202.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents