Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 102 — Adidin’ny Tsirairay

    Tsy mila voatsiary amintsika Andriamanitra ka hampanao antsika izay tsy ho vitantsika. Tsy hampitondra enta-mavesatra izay tsy ho zakan’ireo mpanompony Izy. «Fa Izy mahalala ny toetsika, ka mahatsiaro fa vovoka isika». Noho izany dia azontsika atao tsara izay asainy hataontsika.HAT 269.3

    «Fa izay nomena be dia be no hotadiavina aminy». Hazonina ho tompon’andraikitra amin’izay na dia amin’ny ota tokony ho nataontsika isika. Refesin’Andriamanitra tsara amin’izay fahafahantsika isika ary izay andrasany amintsika. Ireo fahaiza-manao tsy nampiasaina dia hampamoahina koa tahaka ireo izay nampitomboina. Satria Andriamanitra dia tsy maintsy hanadina sy hitsara antsika amin’ireo adidy sy andraikitra nanomezany fahendrena antsika mba hiadidiantsika satria tsy nampiasaintsika ireo fahafahana nomen’Andriamanitra antsika ho voninahiny. Na dia tsy ho verintsika aza ny fanahintsika dia ho tsapantsika ao amin’ny mandrakizay ny vokatry ny talenta tsy nampiasaina. Hisy fatiantoka mandrakizay noho ny fahalalana rehetra sy ny fahaizana rehetra izay nety ho azontsika, kanefa tsy azontsika.HAT 270.1

    Kanefa rehefa nanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra isika, ka manaraka ny fitarihany amin’ny asantsika, dia izy no hiantoka hahatanteraka izany. Tsy asainy maminavina ny amin’izay ho fahombiazan’ny fiezahana ataontsika amin’ny fo madio isika. Tsy tokony hihevitra tsy fahombiazana isika na dia indray mandeha aza, satria miara-miasa amin’ilay tsy mahalala izany tsy fahombiazana izanyHAT 270.2

    Tsy tokony horesahintsika ny fahalementsika sy ny tsy fahaizantsika. Tsy fahatokiana amin’Andriamanitra mibaribary sy fandavana ny teniny izany. Rehefa mimonomonona isika fa itambesaran’entana na mandà ireo andraikitra izay iantsoana antsika hoentina dia milaza anakampo isika fa tompo masiaka Andriamanitra, ka mangataka izay tsy nanomezany hery antsika hanaovana izany - Henoinareo ny Fanoharana, t. 378.HAT 270.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents