Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Asa misiônera Momba ny Fahasalamana

    Ny asa misiônera momba ny fahasalamana dia manome tombontsoa azo hararaotina betsaka ho amin’ny asa fanompoana. Ny tsy fahalalana onony eo amin’ny fihinanana sy ny tsy fahalalana ny lalàn’ny natiora no miteraka ny ankamaroan’ireo aretina misy, ary mandroba amin’Andriamanitra ny voninahitra izay tokony ho Azy. Maro amin’ny vahoakan’Andriamanitra no tsy afaka hanatratra ny filamatra ambonin’ny fiainana ara-panahy napetraka eo anoloan’izy ireo noho ny tsy fandavan-tena. Ampianaro ny olona fa tsaratsara kokoa ny mahafantatra ny fomba hitehirizana ny vatana ho salama noho ny fahafantarana ny fomba hitsaboana ny aretina. Tokony ho mpanabe hendry isika, mampitandrina ny olona mikasika ny fampanaranam-po ny tena. Raha mahita ireo fahoriana sy fiovana ary aretina izay tonga teto amin’izao tontolo vokatry ny tsy fahalalana isika dia amin’ny fomba ahoana no hifehezantsika ny tenantsika tsy hanao ny anjarantsika amin’ny fanazavana ireo tsy mahalala sy amin’ny fanamaivanana ny fahoriana?HAT 192.1

    Maro no tsy mahalala ny foto kevitry ny fomba fiaina ara-pahasalamana satria nohidin’ilay Mpanjakan’ny hevitra mibahana mialoha ny lalana mankao amin’ny fanahy. Asa fanompoana tsara no azo tanterahina amin’ny alalan’ny fampianarana ny olona ny fomba fikarakarana sakafo ara-pahalamana. Tena ilaina tahaka ireo fomba fiasa hafa io fomba fiasa anankiray io. Tokony hisy sekoly fianarana mahandro sakafo hajoro, ary ny sasany dia tokony hiasa amin’ny fitetezan-trano, hanome torolalana ny amin’ny fahaizana mahandro sakafo mahasalama. Maro, eny, maro ny ho voavonjy amin’ny faharatsiana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy amin’ny alalan’ny hery miasa mangina ananan’ny fanavaozam-pahasalamana. — RH, 6 Jona 1912.HAT 192.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents