Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Miambina sy Mivavaka

    Eo amin’ny fanombohan’ny tontolo andro, aoka ry tanora malala, tsy hanao an-tsirambina ny fivavahana mafana amin’i Jesôsy mba hanomezany anao hery sy fahasoavana hanoherana ny fakam-panahin’ny fahavalo na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona mety hiaviany; ary raha mivavaka amin-kafanam-po ianao, amin’ny finoana sy ny fanahy torotoro dia hihaino ny fivavakao ny Tompo. Kanefa tsy maintsy miambina sy mivavaka ianao. Nilaza i Jesôsy manao hoe: “Mangataha dia homena hianareo, mitadiava dia hahita hianareo, dòndòny dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo ary izay mitady no hahita; ary izay mandòndòna no hovohana. Ary iza moa aminareo raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? Ary raha angatahany hazandrano no hanome azy menarana? Koa raha hianareo, na dia ratsy aza mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an ‘izay mangataka aminy?HAT 98.1

    Afaka mankeo amin’i Jesôsy miaraka amin’ireo enta-mavesatra sy ny zava-manahirana azy ny ankizy sy ny tanora, ary hahafantatra fa hanaja ny fiangaviany Azy Izy, ary hanome azy ireo ny zavatra tena ilainy. Aoka hazoto sy hanana fikirizana. Asehoy ireo teny fikasan’Andriamanitra ary minoa tsy amim-pisalasalana. Aza miandry hahatsapa fihetseham-po manokana vao hihevitra fa mihaino ny Tompo. Aza fanitana amin’ny fomba manokana fa tsy maintsy manao zavatra ho anao ny Tompo mialoha ny hinoanao fa ho azonao ny zavatra nangatahinao taminy; fa matokia ny Teniny ary avelao ho eo am-pelatanan’ny Tompo ny zavatra rehetra, amin’ny finoana feno fa tsy atao tsinontsinona ny fivavakao ary ho avy amin’ny tena fotoany sy amin’ny fomba izay hitan’ny Rainao izay any an danitra fa mahasoa anao ny valiny; ary iaino avy eo ny fivavakao. Mandehana amim-panetren-tena ary mandrosoa hatrany.HAT 98.2

    Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; Fahasoavana sy Voninahitra no omen'i Jehovah; Tsy hiaro zava-tsoa amin ‘izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy. ” Sal 84:11.HAT 99.1

    Matahora an'i Jehovah hianareo olony masina; Fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra an'i Jehovah. Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana; fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.” Sal. 34:9,10.HAT 99.2

    «Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. Halaviro ny ratsy, ka manaova soa; mitadiava fihavanana ka araho izany. Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. Ny tavan’i Jehovah tezitra amin’ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorana tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy. Mitaraina ny marina ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” Sal. 34:13-18.HAT 99.3

    Indreo teny fikasana, betsaka sy manana amby ampy, eo ambany fepetra, dia ny hitsaharanao tsy hanao ratsy sy ny hianaranao manao soa. Ary apetraho avo ny tanjonao eo amin’ny fiainana, tahaka ny nataon’i Josefa sy i Daniela ary i Mosesy; ary hevero ny sandan’ny fanorenana toetra ary avy eo dia aoreno ho an’ny fotoana sy ho an’ny mandrakizay (...)HAT 99.4

    Malemy sy tsy manam-pahendrena isika, kanefa hoy Andriamanitra: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ny olona rehetra, sady tsy mandatsa dia omena azy izany.” -Jak. 1:5. Mianara hamita zavatra hatramin’ny farany, aza avela mihitsy ny fifikiranao amin’Andriamanitra, mahareta amin’ny fanompoana azy, dia ho mpandresy amin’ny alalan’ny ran’ny zanak’ondry ianao.HAT 99.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents