Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 14 — Faherezana

    Handalo fotoan’ny fahaverezan-kevitra mafy sy sedra ao amin’ny fiainam-pivavahany ireo izay hahazo fandresena amin’ny farany; nefa tsy tokony hanary toky izy ireo, fa taranja ao amin’ny sekolin’i Kristy izany, ary tena ilaina hanadiovana izay tsy ilaina rehetra. Hiaritra amin-kery ny fanafihan’ny fahavalo ny mpanompon’Andriamanitra, dia ireo fihantsiana mandratra, ary tsy maintsy mandresy ny sakana izay apetrak’i Satana eo amin’ny lalany.HAT 46.1

    Hitady izay hanakiviana ny mpanaraka an’i Kristy i Satana, tsy hivavahan’ireo na handinihany ny Soratra Masina, ary hanipy ny aloky ny fankahalany eo amin’ny lalan’ireo izy, hanafina an’i Jesôsy tsy ho hitan’ireo, hanampina ny masony tsy hahita ny fitiavany sy ny voninahitry ny lova any an-danitra. Mibitaka izy mahita ny zanak’Andriamanitra mikainkona, mangovitra, mijaly sy feno fisalasalana mandrakariva. Ataony izay hahasarotra indrindra ny lalana, kanefa tsy lavo an-dalana ianao raha toa ka manohy mijery any ambony, fa tsy ny fahorianao; hahita an’i Jesôsy manolotra ny tanany hanampy anao raha atolotrao Azy amin’ny fitokiana tsotra ny tananao ary avelanao Izy hitarika anao. Rehefa matoky ianao dia ho feno finoana.HAT 46.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents