Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Lalam-Pahendrena

    Mazàna ny tanora no mitady zavatra hatao hamalifaliana sy hampialana voly ny saina. Mila izany ihany koa ny fanantenana kristianina. Amin’ny Kristianina mino, ny fivavahana dia mpampionona: mitarika indrindra ho eo amin’Ilay Loharanom-pahasambarana. Tokony hampifantoka ny sainy amin’ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra ary hanokana ny fotoany amin’ny fivavahana sy ny fibanjinana ny tanora lahy sy vavy. Izany no tena fialam-boly tokony hataon’izy ireo. Fa ny lalam pahendrena dia «lalana mahafinaritra ary fiadanana ny alehany rehetra » -Ohab. 3:17.HAT 320.1

    I Paoly raha nanoratra ho an’i Timoty dia nangataka ny tanora mba hahonon-tena: «Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena; ka amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana tsara ny asa tsara, amin’ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana, ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo ». -Tit. 2:6-8.HAT 320.2

    Miangavy indrindra ireo tanora aho, noho ny fitiavako ny famonjena ny fanahin’izy ireo, ny mba handraisany izany tenin’ny Apôstôly izany. Ireo fampitandremana sy fampianarana ary fangatahana atolotry ny fahasoavana antsika ireo dia, na ho hanitry ny fiainana, ho fiainana ho antsika, na ho aloky ny fahafatesana, ho fahafatesana ho antsika ihany koa.HAT 320.3

    Ny tanora ankehitriny dia mihevitra fa tsy manana andraikitra, na omena fahasahiranana na ampitondraina enta-mavesatra. Kanefa anjaran’ny tsirairay ny miezaka manatratra ny idealy araka ny voalazan’ny Baiboly. Ny fahazavana mamiratra avy amin’ny fahafahana sy ny torolalana ary ny fampitandremana nomena tamin’ny alalan’ny asan’ny filazantsara dia hamokatra na ho amin’ny famolavolana ny toetra ho tsara na ho fanamelohana izay manao tsinontsinona izany. Tokony hankasitrahan’ny tanora sy ny lehibe izany fahazavana izany. Aiza ireo maniry dieny izao hiandany amin’ny Tompo ka hanao ny fanompoana Azy ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany? Iza no maniry hanao izany andraikitra izany?HAT 321.1

    «Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andron'ny fahatanoranao » -Mpitt. 12:1. Maniry ny hanaovan’ireo tanora manana ny andon’ny maraina ny asa fanompoana ny Tompo. Tiany handova ny tsy fahalovana ianao. Na dia misy aretin’ny fahapotehana aza mifamindra, eny, fa na dia eo amin’ny taonan’ny fahazazana aza, misy kosa tombontsoa lehibe hahatonga ny vehivavy sy lehilahy hanana toetra mendrika, manandratra. Afaka ny hiaina amin-kalalahana ianao, tsy zanaky ny haizina fa zanaky ny fahazavana.HAT 321.2

    Miantso ireo zananilahy sy zananivavy Andriamanitra hahafoy ny fahazaran-dratsy, haneho toetra mahatoky eo amin’ny asa, saina matotra ary manompo an’Andriamanitra, tsy hitomoemoe-poana sy hitsilamodamoka, tsy hanao ezaka handresena ireny toetra ratsy ireny. Misy fahamatorana eo amin’ny fivavahany sy ny ezaka amin’ny heriny rehetra mba hankatò ny didin’Andriamanitra. Isan’ora sy isan-tsegôndra dia tokony hanao dingana lavitra hialana amin’ireo fahazaran-dratsy sy ny naman-dratsy ary hahazo antoka fa omen’ny Tompo fandresena amin’ny herin’ny Fanahiny ianao.HAT 321.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents