Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 135 — Ny Dihy

    Ny tena Kristianina dia tsy maniry ny handray anjara amin’ny fialam-boly na ny fitadiavam-pahafinaretana tsy ahitana ny fitahian’Andriamanitra. Tsy ho hita any amin’ny sehatra izy, na any amin’ny “billard” na ny “bowling saloon”. Tsy handray anjara amin’ny fanaovan-dihy valsa ary ny fialam-boly voaody izay mandroaka an’i Kristy ao am-pony.HAT 346.1

    Ho an’ireo izay miaro ireo fialam-boly ireo dia hoy izahay hoe: tsy misy hevitra ny handehanana any amin’ny anaran’i Jesôsy avy any Nazareta. Tsy hidina amin’ny fotoana lany amin’ny teatra na ny dihy ny fitahian’Andriamanitra. Tsy misy Kristianina maniry ny ho tra-pahafatesana amin’ireny toerana ireny. Tsy misy maniry ho tratr’i Kristy amin’ireny toerana ireny.HAT 346.2

    Rehefa avy ny ora, izay hanononana ny asa vitantsika nandritra ny fiainana, moa hanenina amin’izay tsy vitantsika va isika? Nanana fotoana kely nanaovana fifaliana adala va isika? Moa ve tsy hanenenantsika ny nandaniana fotoana tamin’ny fitadiavana fahafinaretana adala, amin’ny tsy firaharahana ny tombontsoa lehibe, izay raha nohararaotina dia nahazoana ny harena mandrakizay?HAT 346.3

    Ireo izay nanao ny fivavahany ho vavaka dia manana fialan-tsiny amin’ireo fialam-boly manimba sy mamatotra ny fo. Ny fahazarana amin’ny fahotana dia mahajamba avokoa ka tsy hita intsony ny haratsiana. Maro amin’ireo mitonona ho zanak’Andriamanitra no mitady ota voasarontsarona noho ny efa nohelohin’ny Teny tamin’ny fanomezana tanjona ho an’ny olona. Mampiasa ny hafetseny eo anatrehan’ny firaketan’ny lanitra izy. Fanahy maro no very noho ny hatsaram-panahy ary voasarika sy voaviliny amin’ny fiparitahany amin’ny fianjaikana.HAT 346.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents