Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 155 — Ny Andraikitry ny Fanambadiana

    Maro ireo izay miditra amin’ny fanambadiana kanefa tsy manam-pananana, tsy manana lova. Tsy manana ny herim-batana na herin-tsaina hahazoana izany fananana izany izy. Olona maika ny hanambady fotsiny ireny, ka nandray andraikitra izay tsy fantany akory. Tsy manana fihetseham-po mendrika sy voasandratra izy ireo, ary tsy mahafantatra akory ny adidy ananan’ny vady sy ny ray, sy izay takin’ny filàn’ny fianakaviany. Tsy manao izay tokony hatao amin’ny fitomboan’ny andraikitra ao an-tokantrano toy ny asehony any amin’ny asa aman-draharahany izy (...) - MYP 461.1.HAT 405.3

    Ny fanambadiana dia noforonin’ny lanitra ho tonga fitahiana ho an’ny olombelona; kanefa, mazana dia nohararaotina amin’ny fomba izay hahatonga azy ho ozona mahatsiravina izy io. Maro ny lehilahy sy ny vehivavy niroso tamin’ny fifandraisam-panambadiana no nihevitra fa ny hany fanontaniana izay tokony hovaliany dia ny hoe: moa mifankatia ve izy ireo? Kanefa tokony hahatsapa izy ireo fa mihoatra lavitra noho izany ny andraikitra eo an-tsorok’izy ireo ao amin’ny fifandraisam-panambadiana. Tokony hihevitra izy ireo raha hanana fahasalamana ara-batana sy herin-tsaina ary hery ara-môraly ny taranak’izy ireo. Kanefa vitsy no nandroso vokatry ny hery manetsika ambony, sy ny fiheverana avo izay tsy azony natao tsinontsinona -izay takin’ny fiarahamonina amin’izy ireo ny amin’ny hery miasa mangina na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy izay asehon’ny fianakaviany. - SA, tt. 63, 64. {MYP 461.2}HAT 406.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents