Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 12 — Ezaka Manokana Ataon’i Satana

    Naseho ahy fa tokony hiambina amin’ny lafiny rehetra isika, ary hanohitra amim-paharetana ny tolo-kevitra sy ny famitahan’i Satana. Nanova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava izy, ary dia mamitaka sy mitarika babo an’arivony. Mahatsiravina ny tombony ananany amin’ny fahalalana ny sain’olombelona. Tahaka ny fanaon’ny menarana, fa amin’ny fomba tsy re tsaika no idirany hanimbana ny asan’Andriamanitra. Lazainy fa asan’olombelona avokoa ny fahagagana sy ny asan’i Kristy.HAT 41.1

    Raha manafika ny Kristianina amin’ny fomba mivantana sy mahery vaika i Satana, hitondra azy ireo ao anaty fahoriana sy tandindomim-pahafatesana, dia hiantoraka eo an-tongotry ny Mpanavotra ireo, ary hahatonga Ilay Mpanafaka Tsitoha hampivarahontsana sy hampandositra ilay fahavalo sahisahy. Fa miova ho tahaka ny anjelin’ny mazava, mandrobo hampiala amin’ny lalana marina sy azo antoka i Satana. Ny “siansan’ny phrénologie”, ny fahalalana ny toetry ny olona, ary “ny mesmerisme” no fantsona niasan’i Satana mivantana tamin’izao taranaka izao, ary miasa amin’ny heriny rehetra izy amin’izao an-katoky ny fikatonan’ny fahasoavana izao (...)HAT 41.2

    Arakaraka ny hanatonantsika ny faran’ny andro, dia mora andairan’ny famitahan’i Satana ny sain’ny olona. Mitarika ireo voafitaka handray ny asa sy ny fahagagana nataon’i Kristy ho fanehoana fampiharana lalàna an-kapobeny izy. Naniry mandrakariva hanao hosoka ny asa nataon’i Kristy i Satana, ary dia hampijoro ny herin’ny tenany manokana sy ny fitakiany. Tsy ataony mivantana sy amin-kasahiana izany. Mahay manao zavatra manintona sy kanto izy ary mahalala fa ny miafina mitafy ny endriky ny anjelin’ny mazava no hahombiazany indrindra amin’ny asany.HAT 41.3

    Naka ny endriky ny tovolahy tsara tarehy iray i Satana raha niseho tamin’i Kristy tany an’efitra, -mpanjaka fa tsy anjely lavo. Tenin’ny Soratra Masina no tao am-bavany. Hoy izy: «Voasoratra hoe, sns.» Tenin’ny Soratra Masina ihany no nanoheran’ny Mpamonjintsika nandalo fijaliana, nilaza: «Fa voasoratra hoe ...». Nanararaotra ny fahalemena sy ny fahorian’i Kristy i Satana. Naka ny maha-olona antsika tao amin’ny tenany Izy (...)HAT 42.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents