Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Tombam-Bidin’ny Fifantohana

    Fitahiana lehibe ny fahafahana mampifantoka ny fisainana amin’ny asa izay atao. Ny tanora matahotra an’Andriamanitra dia tokony hiezaka ny hanatanteraka ireo adidiny amim-piheverana sy fandinihana tsara, mihazona ny fisainana ho amin’ny fantsona tena izy, ary manao ny tsara indrindra mety ho vitany. Tokony hoekeny ireo adidiny amin’io fotoana io, ary manatanteraka azy ireny ka tsy hamela ny saina hivezivezy. Izany fifehezana ny saina izany dia hahasoa sy hahitana tombony mandritra ny fiainana. Ireo izay mianatra ny hanao amim-pisainana ireo zavatra rehetra ataony, na dia madinika toy inona aza no mety ho fisehony, dia hilaina eo amin’izao tontolo izao.HAT 124.3

    Ry tanora malala, aoka ianareo ho mafana fo sy matotra, aoka hanana faharetana. “Sikino ny sainareo.” Mijoroa tahaka an’i Daniela, ilay Hebreo mahatoky, izay nikasa tao am-pony ny ho marina amin’Andriamanitra. Aza mandiso fanantenana ny ray aman-dreninao sy ny namanao. Ary misy iray hafa tokony hotsarovana. Aza mandiso fanantenana Azy izay tia fatratra izao tontolo izao ka nanome ny ainy mba ho azonao atao ny ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra.HAT 125.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents