Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Voalanjalanjan’ny Fitsipi-Piainana Tsara

    Tsy marina ny hoe ny tanora mahira-tsaina ihany no nahazo fahombiazana lehibe indrindra. Impiry impiry ny olona manan talenta sy nahavita fianarana no napetraka teo amin’ny toeram-pahatokiana kanefa dia hita fa tsy nahomby. Toa nanana ny endriky ny volamena izay namirapiratra teo aminy izy kanefa rehefa nosedraina dia hita fa ankoso-bolamena.HAT 161.3

    Tsy fahombiazana no vitany teo amin’ny asany noho ny tsy fahatokiana. Tsy nazoto niasa sy tsy nanana faharetana na fikirizana izy ireo, tsy nandeha hatramin’ny farany amin’izay zavatra ataony. Tsy tiany ny hanomboka amin’ny farany ambany amin’ny zana-tohatra, ary amin’ny asa amim-paharetana hiakatra tsikelikely mandra-pahatongany any amin’ny fara tampony. Mandeha amin’ny kilalaon’afo (fahazavan-tsaina mitselaka) izay narehitry ny tenany izy ireo. Tsy miankina amin’ny fahendrena izay Andriamanitra irery ihany no afaka hanome azy izy ireo. Ny tsy fahombiazany dia tsy hoe tsy nanana fanambinana izy ireo, fa noho ny tsy fahafehezana ny saina. Tsy tsapany fa tombam-bidy ho azy ireo ny tombony teo amin’ny fanabeazana azony, ary dia tsy nandroso araka izay tokony ho fandrosoany teo amin’ny fahalalana ny fivavahana sy ny siansa izy. Ny sainy sy ny toeny dia tsy voalanjalanja tamin’ny fitsipi-piainana ambonin’ny fahamarinana FCE, t. 193.HAT 162.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents