Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Kristy ilay Mpanabe Lehibe

    Kristy no fahazavan’izao tontolo izao. Izy no loharanon’ny fahalalana rehetra. Afaka ny hanofana ny mpanarato tsy nahita fianarana Izy mba handray ny iraka ambony izay homeny azy ireo. Nisy dikany lehibe ireo leson’ny fahamarinana nomena ireo lehilahy tsotra. Natao hanetsika izao tontolo izao izy ireo. Toa zavatra tsotra ho an’i Jesôsy ny nampifandray ny tenany tamin’ireo olon-tsotra ireo; kanefa dia toe-javatra tena nisy vokany goavana. Nampivoatra izao tontolo izao ny teny sy ny asan’izy ireo.HAT 144.2

    Tsy nanao tsinontsinona ny fanabeazana i Jesôsy. Mahazo ny fankasitrahany amin’ny fahafenoany indrindra ny fikolokoloana ny saina ho amin’ny ambony indrindra, raha nohamasinina tamin’ny alalan’ny fitiavana sy fahatahorana an’Andriamanitra. Niaraka Taminy nandritra ny telo taona ireo olon-tsotra nofinidin’i Kristy, nilefitra tamin’ny hery miasa mangina manadio avy amin’ny Andrianan’ny lanitra. Kristy no mpanabe lehibe indrindra fantatr’izao tontolo izao.HAT 144.3

    Hoeken’Andriamanitra ny tanora miaraka amin’ny talentany sy ny haren’ny firiavany, raha toa izy ireo ka hanamasina ny tenany ho Azy. Mety hahatratra ny faritra ambony indrindra amin’ny fahalehibiazan’ny faharanitan-tsaina izy ireo; ary raha ampifandanjana amin’ny fitsipi-piainana ara-pivavahana dia ho afaka hanohy ny asa izay notanterahina tamin’ny nahatongavan’i Kristy teto an-tany izy ireo, ary amin’ny fanaovana izany dia ho Mpiara-miasa amin’ny Tompo.HAT 144.4

    Manana tombontsoa sarobidy ireo mpianatra ao amin’ny sekolintsika, tsy amin’ny fahazoana fahalalana ara-tsiansa fotsiny, fa amin’ny fianarana ihany koa ny fomba hikolokoloana sy hampiharana ireo toetra tsara izay hanome azy ireo toetra voalanjalanja. Olona tompon’andraikitra amin’ny lafiny ara-pitondran-tena eo anatrehan'Andriamanitra izy ireo. Ireo talenta, harena, toerana, sy faharanitan-tsaina dia nomen’Andriamanitra ary nankinina tamin’ny olona mba hampiasainy tsara amim-pahendrena. Ireo fanomezana samihafa ireo dia nozaraina mifanaraka amin’ny hery sy ny fahafaha-manao fantatra fa ananan’ny Mpanompony, samy manana ny asa sahaza ho azy ny olona rehetra. - RH, 21 Jona 1877.HAT 145.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents