Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahasoavana Mamonjy

    Naseho ahy ny fomba tokony hahazoana io fahasoavana io. Mandehana ao amin’ny efitranonao mangina, ary ao ianao irery no mitalaho amin’Andriamanitra: “Amorony fo madio aho Andriamanitra ô, ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. ” Aoka hafana fo, aoka ho tena mahatoky marina. Misy lanjany be dia be ny vavaka mafana. Tahaka an’i Jakôba, mitoloma amim-bavaka. Ampahorio ny tenanareo. Nipotrapotraka toy ny ra ny hatsembohan’i Jesôsy tao an-tsaha; tsy maintsy manao ezaka ianao. Aza miala eo amin’ny efitranonao mangina raha tsy nahatsiaro ho matanjaka ao amin’Andriamanitra; avy eo miambena, ary arakaraka ny hiambenanao sy hivavahanao no ahafahanao mifehy ireo zava-dratsy mamatotra ireo, ary afaka hiseho aminao ny fahasoavan’Andriamanitra.HAT 107.1

    Sanatria raha hijanona tsy hampitandrina anao aho. Ry tanora namana, mitadiava an’i Jehôvah amin’ny fonao rehetra. Tongava amim-pahazotoana, ary rehefa tena mahatsapa ianao fa raha tsy misy ny fanampian’Andriamanitra dia ho very, rehefa maniry azy fatratra, tahaka ny fanirian’ny diera ny ony ianao, dia amin’izay vao hampahatanjaka anao haingana Andriamanitra. Avy eo ny fiadananao dia hihoatra noho ny fahalalana rehetra. Raha manantena famonjena ianao dia tsy maintsy mivavaka. Mandania fotoana. Aoka tsy ho maimaika sy tsy hiraika ao amin’ny fivavahanao. Mangataha amin’Andriamanitra mba hanao fanavaozana tanteraka eo amin’ny fiainanao, mba hitoetra ao aminao ny vokatry ny fanahy, ary hamirapiratra ho toy ny fanazavana eto amin’izao tontolo izao. Aoka tsy ho vato misakana na ho ozona ho an’ny asan’Andriamanitra; afaka ny ho fanampiana, ho fitahiana ianao. Moa nilaza taminao ve Satana fa tsy afaka ny hifaly amin’ny famonjena feno sy malalaka ianao? Aza mino azyHAT 107.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents