Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mifehy ny Eritreritra

    Tokony hifehy ny eritreritrao ianao. Tsy ho asa mora izany; tsy ho vitanao izany raha tsy misy ezaka mifototra sy mafy. Nefa dia takin’Andriamanitra aminao izany; adidy andrasany amin’ny olombelona hotsaraina rehetra. Tompon’andraikitra eo anoloan’Andriamanitra, mikasika ny eritreritrao ianao. Raha mandefitra ireo eritreritra foana ianao, ka mamela ny sainao hitoetra amin’ireo zavatra tsy madio, dia meloka eo anatrehan'Andriamanitra toy izay nanatanteraka ireo eritreritra ireo ianao. Ny hany tsy nahatanteraka ireny dia ny tsy fisian’ny fahafahana hanao azy fotsiny ihany.HAT 58.1

    Ny nofinofy andro aman’alina sy ny hevi-dravina dia ratsy ary fahazarana faran’izay mampidi-doza. Rehefa azo ny fahazarana, dia sarotra ny hialana aminy sy ny hampitodika ny saina amin’ny foto-kevitra madio sy masina ary ambony. Tokony ho mpiambina mahatoky ianao amin’ny masonao sy ny sofinao ary ny retsi-pandre rehetra, raha tianao ny hifehy ny sainao ary hisoroka ny fahalotoan’ny fanahy amin’ny eritreritra foana sy maloto. Ny herin’ny fahasoavana ihany no hahavita izany asa irina indrindra izany. Malemy ianao eo anoloan’izany.HAT 58.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents