Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Fitandremana ny Zava-Masina

    Malahelo aho mahita ny tanora manao ny fivavahana ho asa kanefa tsy manova na inona na inona eo amin’ny fony izany. Tsy voaova ny fony. Tsy tsapany fa mila fifantohana sy fahamatorana ny asa kristianina. Tsy mifanentana amin’ny fitondran-tena ara-pivavahana ny fitondran-tenany. Raha tena zanakalahy sy zanaka vavin’Andriamanitra izy ireo dia tsy hanaiky ny hadalana, ny faniratsirana sy ny zavatra tsy misy dikany, tsy hanaiky ho lasibatry ny fitsikerana mahatsikaiky sy ny toetry ny hafa. Handà ny zavatra mananihany ny fivavahany ny fanahy mifantoka amin’ny lokan’ny lanitra.HAT 232.4

    Loza ny fisehoana ho tompon’ireo toetra ratsy ireo, satria tsy misy hadalàna mihoapampana noho ny fanivaivana sy ny fanamaivanana. Hita eny rehetra eny ireo tanora maivan-tsaina. Tsy maintsy andosirana ireny fa tena hantsana lehibe mampidi-doza. Mampahatahotra tokoa raha tanora kristianina ireny tanora ireny. Mifotetaka amin’ny tany ny fomba fisainany ary tena ho mora amin’ireny ny handentika anao noho ianao hisintona azy ka hampakatra sy hanondrotra azy. Katsaho mandrakariva izay hiarahanao amin’ny tanora manara-dalàna sy mahay ny fitsipi-piainana amin’ny fiteniny sy ny fihetsiny.HAT 233.1

    Aoka hitady ny fiarahamonina mahay manavaka ny masina sy ny tsy masina ianao raha tianao ny hidera an’Andriamanitra amin’ny fahombiazana. Tianao ve ny hahita amin’ny fijery mivelatra, amin’ny fisainana sy aingam-panahy manandratra? Fidio ny hananana namana afaka hanampy anao amin’ny fanahafana ny fomba tsara. Aoka hifantoka amin’izao ny sainao sy ny fihetsikao: azo antoka ny ho avy, miaraka amin’ny fahasambarana mandrakizay. — YI, 8 Okt. 1896.HAT 233.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents