Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 144 — Mandà ny Fikambanana amin’Izao Tontolo Izao

    Ny tanora dia tokony handinika tsara ny amin’ny tanjona sy ny asa tiany hatao, ary manorina ny fototr’izany amin’ny fomba izay hahatonga ny fahazarany tsy ho voakasiky ny loton’ny fahasimbana. Raha te hijoro amin’ny toerana izay hahatonga azy ho hery miasa mangina ho an’ny hafa izy ireo, dia tsy maintsy mahazaka tena. Ny voahirana eo amin’ny farihy dia mandentika lalina ny fakany any ambanin’ny fotaka sy fakofako ary avy amin’ireo fakany ireo no hitrohany ny zavatra ilainy amin’ny fitomboany, ka hampisokatra sy hampivelatra ny felany hipetraka eo afovoan’ny renirano. Mandà izay rehetra mety handoto ny hatsarany tsy misy pentina izy. - MYP 423.1.HAT 369.2

    Afaka mandray lesona avy amin’ny voahirana isika, ka na dia voahodidin’ny hery miasa mangina izay mety hanimba ny soatoavina sy hamotika ny fanahy aza isika, dia afaka handà ny ho voasimba, ary hipetraka amin’ny toerana izay tsy ahafahan’ny fikambanana amin’ny ratsy hanimba ny fontsika. Ny tanora tsirairay dia tokony hikatsaka ny hiara-miasa amin’ireo izay mitodi-doha, tsy voahozongozona, mankany ambony. Tokony handositra ny fiarahana amin’ireo izay mandray ny hery miasa mangina ratsy rehetra, ireo izay kamo miasa sady tsy manana faniriana hahatratra marika ambony eo amin’ny toetra, ireo izay tsy azo itokiana hankatò sy hanaja ary ho mahatoky amin’ny fitsipika izy ireo. Aoka ny tanora ho hita ao anatin’ny fiarahana amin’ireo izay matahotra sy tia an’Andriamanitra; satria ireo toetra mendri-kaja sy marina ireo no asehon’ny voahirana izay mampisokatra ny felany eo anivon’ny farihy. Tsy mety hovolavolain’ny hery miasa mangina izay mety hanimba, ka manangona ho an’ny tenany izay hanampy ny fampandrosoana ny toetra madio sy tsara ihany Mitady ny hitovy amin’ny ohatra avy any an-danitra izy ireo. - YI, 5 Jan. 1893. {MYP 423.2}.HAT 369.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents