Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Asa Fitsaboana

    Tsy misy saha misiônera manana ny lanjany mihoatra noho izay tazonin’ny mpitsabo matahotra an’Andriamanitra. Tsy misy saha izay azon’ny olona anankiray hanatanterahana asa lehibe kokoa, na ahazoana firavaka sarobidy kokoa hamirapiratra eo amin’ny satroboninahitry ny fifaliany noho izany. Afaka mitondra ny fahasoavan’i Kristy, toy ny hanitra mani-pofona, ao amin’ny efitranon’ny marary rehetra izay hidirany izy; afaka mitondra ny balsama tena fanasitranana ho an’ny fanahy mararin’ny fahotana. Afaka manondro amin’ny marary sy ny ambavahoan’ny fahafatesana ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao izy. Tsy tokony hihaino ireo izay manoro hevitra fa zava-doza ny miresaka ny amin’ny fahalianany mandrakizay amin’ireo izay tandindomin-doza ny fiainany, sao dia hampihombo ny aretiny izany; fa sivy amin’ireo folo izay nahalala ny Mpamonjy namela heloka no nihatsara ny toe-pahasalamany ara-tsaina sy ara-batana. Afaka mametra ny herin’i Satana i Jesôsy. Izy no Mpitsabo izay azon’ireo fanahy mararin’ny fahotana itokiana hanasitrana ireo aretin’ny vatana ary koa ny aretin’ny fanahy. - Testomonies for the Church, b. 5, tt. 448, 449.HAT 196.1

    Saika amin’ny fiarahamonina rehetra dia misy olona maro tsy mihaino ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra na tsy mamonjy mihitsy fanompoam-pivavahana. Raha tiana ho tratry ny filazantsara izy ireny, dia tsy maintsy hoentina any an-tranony izany Matetika ny fanamaivanana izay ilainy ara-batana no hany lalan-tokana izay ahafahana manatona azy ireny. Ireo Mpitsabo mpanampy misiônera izay mikarakara ny marary sy manamaivana ny fahorian’ny mahantra no hahita fotoana mety maro azo hararaotina hiarahana mivavaka amin’izy ireo, hamaky amin’izy ireo ny tenin’Andriamanitra, ary hilaza ny amin’ny Mpamonjy. Afaka mivavaka miaraka sy ho an’ireo tsy afaka ny hikarakara ny tenany izy, ireo izay tsy manana ny herin’ny sitrapo hifehezana ny fahazotoan-komana sy ny faniriana tafahoatra manimba. Afaka hitondra ny taratry ny fanantenana eo amin’ny fiainan’ireo izay resy sy kivy izy. Ny fitiavany tsy misy fitiavan-tena, aseho amin’ny alalan’ny asa feno hatsaram-panahy no hahatonga ho moramora kokoa ho an’ireo izay mijaly ny mino ny fitiavan’i Kristy. — Ministry of healing, tt. 144, 145.HAT 197.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents