Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 51 — Fiofanana Fampiharana

    Anisan’ny drafitry ny filazantsara ny fanaovana asan-tanana mahasoa. Ilay Mpampianatra lehibe hodidinin’ny andry rahona, dia nanome tari-dalana ho an’ny Isiraely fa ny tanora rehetra dia tokony hampianarina asan-tanana mahasoa. Koa noho izany dia fomban’ny Jiosy, na ny antokon’olona mahantra na ny manan-karena, ny mampianatra ny zanany lahy sy ny zanany vavy asan-tanana mahasoa, koa raha mitranga ny toe-javatra sarotra, dia tsy hiantehitra amin’ny hafa izy ireo fa ho afaka ny hanome izay ilain’ny tenany. Nety ho nampianarina ny haisoratra izy ireo, kanefa dia tsy maintsy nofanina ihany koa tamin’ny taozavatra sasantsasany. Noheverina ho ampahany tsy maintsy ilaina amin’ny fanabeazana azy ireo izany.HAT 151.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents