Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 26 — Adin’ny Finoana

    Maro amin’ny tanora no tsy mbola nanao ho foto-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra. Koa dia rendriky ny rahona mandalo rehetra izy ary tsy manana hery haharetana. Tsy mitombo amin’ny fahasoavana izy. Miseho mitandrina ny didin’Andriamanitra izy, nefa tsy manaiky ny asan’ny lalàn’Andriamanitra akory, ary tsy afaka ny ho izany akory. Mila fanovana ny fony. Mila mahita fahatsaran-tarehy ao amin’ny fahamasinana izy; dia haniry azy fatratra tahaka ny diera miahanahana maniry ny rano an’ony izy, ary ho tia an’Andriamanitra sy ny lalany izy; dia ho mora ny ziogan’i Kristy, ary ho maivana ny entany.HAT 80.1

    Raha izay ibaikoan’Andriamanitra no halehanao, ry tanora malala, dia aza manantena fa ho fiadanana sy fahombiazana mandrakariva no hitanao eny an-dalana. Tsy izay mora indrindra no lalana mankany any amin’ny mandrakizay, indraindray aza maizina sy feno tsilo. Fa manàna toky lanao fa ny tanan’Andriamanitra mandrakizay dia manodidina anao, miaro anao amin’ny ratsy. Maniry anao Izy hampiasa finoana mafana Azy, ka hianatra ny hatoky Azy amin’ny maloka toy ny amin’ny andro mibaliaka.HAT 80.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents