Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahamarinana Mahatoky

    Tsy noheverina loatra araka ny tokony ho izy ny herin’ireo fanaovan-dratsy madinika, amin’ny famolavolana ny toetra. Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no anehoana ho antsika ireo fitsipika lehibe sy ambony indrindra. Nomena hanafy hery ireo ezaka rehetra ataontsika mba hanao ny tsara ireny, hifehy sy hihazona ny saina, hitarika antsika haniry hanatratra tanjona ambony.HAT 15.3

    Hitantsika ao amin’ny tantaran’i Josefa, Daniela sy ny namany; ny fomba amatoran’ny rojo volamenan’ny fahamarinana ny tanora amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Tsy voataonan’ny fakam-panahy hiala amin’ny lalan’ny fahamarinana ireo. Nihevitra ny fankasitrahan’Andriamanitra ho ambony noho ny fankasitrahana sy ny voninahitry ny andriana izy ireo, ary dia naneho ny fitiavany azy Andriamanitra ka dia namelatra teo ambonin’izy ireo ny ampingany. Noho ny fahamarinany mahatoky, noho ny fanapahany hevitra hanome voninahitra an’Andriamanitra ambonin’ny fahefan’olombelona, dia nanome voninahitra azy teo imason’ny olona Andriamanitra. Jehôvah Andriamanitry ny maro izay manana ny fahefana amin’ny asan’ny tanany rehetra any an-danitra ambony sy ety amin’ny tany ambany no nanome voninahitra azy ireo. Tsy menatra ny naneho ny faneva tanany ireto tanora ireto. Na dia tao amin’ny lapan’ny mpanjaka aza, dia naneho ny finoany ny Tompo Andriamanitry ny lanitra izy ireo, tamin’ny alalan’ny teny sy fahazarana ary fomba fanao. Nandà ny hiondrika teo anoloan’ny didy tsy manome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo. Hery avy any an-danitra no nijoroany ho vavolombelon’ny fankatoavany an’Andriamanitra.HAT 15.4

    Tokony hiomana hanahaka ny ohatra nataon’ireo tanora mendri-kaja ireo ianao. Aza menatra velively ny faneva inoanao; itafio izany, velaro eo imason’ny olona sy ny anjely. Aza manaiky hofehezin’ny tsy fitiavana hiseho sy fitandremana diso toerana ka handray fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izao toromarika izao. Amin’ny alalan’ny teny voafidy tsara sy ny asa tsy miova fenitra, amin’ny alalan’ny fitondran-tena sy ny toe-panahy lalim-paka, dia ambarao ny finoanao, manapaha hevitra fa Kristy no mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny tempolin’ny fanahinao; ary ento tsy amim-pisalasalana eo an-tongony ny talentanao mba hampiasaina amin’ny fanompoana Azy.HAT 16.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents